Origenesy
English: Origen

I Origenesy

I Origenesy dia teolojiana kristiana tamin'ny Andro Taloha. Atao hoe Adamantiosy koa izy. Tao Aleksandria tamin'ny taona 185 no nahaterahany. Notezaina tamin'ny fivavahana kristiana izy. Saika maty matira izy tamin'ny hafanam-pony raha novonoina ny rainy Leonidesy tamin'ny 202 noho ny fanenjehana. Izy no rain'ny fanaovana heviteny amin'ny Baiboly. Atao hoe Ὠριγένης / Ôrigénês izy amin'ny teny grika. Isan'ireo atao hoe "Rain'ny Fiangonana" na "Aban'ny Eglizy" izy.

Amin'ny ankapobeny dia tsy noraisin'ny Fiangonana ny fampianaran'i Origenesy izay mitory ny fisian'ny fanahin'olombelona talohan'ny hahaterahan'ny vatany, ny hihavanan'ny zavaboary rehetra (mety isan'izany koa ny devoly/demony araka ilay atao hoe ἀποκατάστασις / apokatastasis amin'ny farany sy ny maha ambany fahefan'Andriamanitra Ray an'Andriamanitra Zanaka (na ny Teny).

Zotram-piainany

Araka ny lovantsofin'ny fiangonana dia nanao ny fianarany teo ambany fiarovan'i Klemento avy any Aleksandria izy. Nampianatra tao Aleksandria izy nandritra ny 28 taona ka nanaraka ny fampianarany na ny Kristiana na ny tsy Kristiana ka nandritra izany no napolavolany ireo fampianaram-pinoana sy namitany ireo asa sorany. Araka an'i Eosebio avy any Kaisaria dia namositra ny tenany izy mba tsy ho azon'ny fakampanahy izy hentitra amin'ny fahadiovam-pintondran-tena.

Nasaina hanolotra lahateny momba ny Soratra Masina tany Palestina izy tamin'ny taona 216. Voahosotra ho pretra tamin'ny taona 230 nefa tsy nahalala izany ny arsevekany Demetriosy avy any Aleksandria. Tsy neken'io arseveka io, noho izany, ny hampianarany ao amin'io tanàna io sady nanaisotra ny andraikitra maha pretra azy.

Niorim-ponenana tao Kaisaria i Origenesy tamin'ny taona 231 ka namerina indray ny sekolin'i Aleksadria. Nenjehin'ny emperora romana Dekio na Desio (latina: Gaius Messius Quintus Trajanus Decius) izy tamin'ny taona 250 ka naidiny am-ponja sady nampijalina tao. Novotsorana izy tamin'ny taona 251 nefa noho ny faharerahany tamin'ny ratra nahazo azy dia maty tamin'ny taona 253 na 254 izy, mety tao Tiro no toerana nahafatesany.

Other Languages
Afrikaans: Origenes
العربية: أوريجانوس
مصرى: اوريجن
asturianu: Oríxenes
azərbaycanca: Origen
беларуская: Арыген
български: Ориген
català: Orígenes
čeština: Órigenés
Cymraeg: Origen
dansk: Origenes
Deutsch: Origenes
Ελληνικά: Ωριγένης
English: Origen
Esperanto: Origeno
español: Orígenes
eesti: Origenes
euskara: Origenes
فارسی: اوریجن
suomi: Origenes
français: Origène
Frysk: Origenes
galego: Oríxenes
עברית: אוריגנס
hrvatski: Origen
հայերեն: Որոգինես
interlingua: Origenes
Bahasa Indonesia: Origenes
italiano: Origene
日本語: オリゲネス
Jawa: Origenes
ქართული: ორიგენე
한국어: 오리게네스
Latina: Origenes
lietuvių: Origenas
latviešu: Origens
македонски: Ориген
മലയാളം: ഒരിജൻ
Nederlands: Origenes
norsk: Origenes
occitan: Origèn
Picard: Origène
polski: Orygenes
português: Orígenes
română: Origene
русский: Ориген
Scots: Origen
srpskohrvatski / српскохрватски: Origen
Simple English: Origen
slovenčina: Órigenes
slovenščina: Origen
shqip: Origjeni
српски / srpski: Ориген Адамантије
svenska: Origenes
Kiswahili: Origen
Tagalog: Origenes
Türkçe: Origenes
українська: Ориген
اردو: اوریجن
Tiếng Việt: Origenes
中文: 俄利根